Hampiantrano ilay kaonferansa iraisam-pirenena andiany faha-32 ny fikambanana Croix rouge malagasy sy ny croissant rouge ny 8 desambra 2015 ho avy izao
. Any Geneve no hanatanterahana azy io, hetsika fanao isaky ny efa-taona handraisan’ireo fikambanana 189 anjara. Ezaka natao indrindra hanatsarana ny fiahiana ny maha olona izy io, hoy Ratsimbazafy Fanja, sekretera jeneraly eo anivon’ny fikambanana manoloana ny olana maro samihafa mety ateraky ny loza voajanahary toy ny areti-mifindra, ny ady, ny herisetra, ny tondra-drano… Hiavaka tsy toy ny mahazatra anefa no hitranga amin’ity taona ity. Hisy ny fakan’izy ireo ny hevitry ny olon-drehetra mikasika izany amin’ny alalan’ny tranonkalam-pifandraisana www.voicestoaction.mg. Lohahevitra telo no voakasik’izany toy ny fomba hisorohana sy hiatrehana ny hetraketraka mety hitranga, ny fomba hiarovana ireo olona mamonjy na mandray an-tanana ireo lasibatra ankoatra ny fiomanana sy ny fanampiana ny olona mba hiarin-doha hiatrika ny fiainana indray aorian’ny loza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.