Actualités

Croix rouge Malagasy Hitety sekoly hampianatra vonjy voina


  • Alakamisy 27 Oktobra 2016

Hitety sekoly hampianatra sy hanao fanentanana ny fikambanana Croix rouge Malagasy manomboka izao ho fampianarana ny ankizy mpianatra momba ny vonjy voina.

Ny antsasaky ny sekoly rehetra manerana ny Nosy no ezahina hanana mpamonjy voina tsirairay avy ato anatin’ny telo taona. Io no tanjon’ny fikambanana Croix rouge Malagasy tarihin’ny filoha nasionaliny Rakotondranja Claude izay nanatanteraka sonia fifanekem-piaraha-miasa niaraka tamin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena omaly tetsy Anosy. Sekoly valo manerana ny Faritra enina no hisantarana izany amin’izao fiandohany izao.  Tsy hamokatra mpianatra hahay mamaky teny sy manoratra fotsiny isika, hoy ny minisitra Paul Rabary fa hamokatra mpianatra mahay sy mahafehy zavatra hafa ihany koa. Ny mba hahafahan’ny mpianatra mifamonjy no tanjona na dia amin’ny fihetsika tsotra aza ho fiarovana ny ainy. Ankoatra izay dia notanterahina omaly ihany koa ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny federasionan’ny lalao echecs sy ity minisitera iray ity izay manana tanjona hanova sy hanatsara ny fomba fijerin’ny mpianatra iray ny olana manoloana azy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT