Actualités

Coum 67 ha Raikitra ny hetsika tsena maty anio talata


  • Talata 23 Septambra 2014

Tsy mihemotra amin’ny fanapahan-keviny ireo mpivarotra etsy amin’ny Coum 67 fa hiroso amin’ny hetsika Tsena maty anio talata 24 septambra ho fiaraha-mientana amin’ny fizotran’ny fitsarana hatao etsy amin’ny tribonaly Anosy mikasika ny tany fivarotana hifandroritan-dry zareo amin’ny Seimad ankehitriny

. Nambaran’ny solontenan’izy ireo teny an-toerana omaly fa tsy eken-dry zareo mpivarotra ireto ny fangalana amin’izy ireo ny tany mirefy 70 x 20 m tsirairay avy nefa tsy nisy fampahafantarana mialoha ny préavis. Toherin-dry zareo ireto koa fihetsik’ireo mitonon-tena ho delegen’ny mpivarotra nefa miaro ny tombontsoan’ny Kaominina CUA sy ny Seimad. Miantso ny eo anivon’ity kaominin’Antananarivo Renivohitra izahay mba handinika akaiky ity toe-draharaha ity, hoy ihany ny solontenan-dry zareo. Fananam-bahoaka natao hanasoavam-bahoaka ny tanim-panjakana ampiasain’ny Seimad, hoy izy, ka raha manana eritreritra hivarotra ny toerana ry zareo dia afaka mividy izany koa ry zareo mpivarotra fa tsy tokony hamidy amin’ny vahiny velively ny tany efa nohajariana an-taonany maro. Tsy miala vehana manampy an-dry zareo koa amin’ny famahana olana an’ity raharaha ity ny Hafari Malagasy sy ny Ct Dhm. Hoavy eny amin’ny fitsarana Anosy avokoa hanaraka ny raharaham-pitsarana ny rehetra anio talata maraina. Fantatra fa mpisolovava 3 ho tarihan’i Me Olala no hiaro ny tombontsoan’ireo mpivarotra ireto anio.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT