Actualités

Coronavirus Olona 10 tonga teny Ivato mampiahiahy ?


  • Alarobia 29 Janoary 2020

Nisy olona 10 tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato avy any Chine no fantatra fa arahi-maso akaiky raha ny loharanom-baovao iray omaly.

 

‘’Tsy maintsy arahi-maso mandritra ny 14 hatramin’ny 21 andro ireto olona ireto. Raha feno ny fepetra efatra izay manambara ny fisian’ilay valan’aretina Coronavirus, vao azo lazaina fa voa izy ireo’’, hoy ny fanazavana voaray tamina dokotera iray nanontaniana . Hatreto moa dia tsy mbola misy olona ahiana ho misy ity valan’aretina ity eto amintsika. Namoaka fanambarana avy hatrany omaly hariva ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka fa tsy marina io vaovao io, ary tsy mbola nahitana trangan’aretina momba io otrikaretina io eto Madagasikara, hatramin’izao aloha.Iza no milaza ny marina ? Inona no tena nitranga marina teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ? Tsy mety miteny ireo tompon’andraikitra nanontaniana, fa inona no antony ? Efa namoaka io fanambarana io aloha ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, dia izay izany fa manaraka akaiky ity raharaha ity ny mpanao gazety.Tsara homarihina fa ny olona misy tazo ka manana maripana mihoatra ny 38° C, na mety mivalana na koa hoe manavy, marary an-doha, reraka, mangovitra, tsembo-dava, mangorangorana ary tsy avy miaina, no ambara fa tratry ny Coronavirus. Anisan’ny torolalana hisorohana ny coronavirus ny fanasana tanana matetika, ny fampiasana mosoara fanary, mikohaka amin’ny kiho ary tsy mifandray amin’ny efa voany. Efa nisy olona tratran’izy ity tatsy amin’ny Nosy Maorisy ny herinandro lasa teo, ary maro no efa nisahotaka satria hoe akaiky an’i Madagasikara io nosy io ary maro ny fifamezivezena sy fifanakalozana, tahaka ny misy ihany eo amin’i Madagasikara sy i Chine.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT