Actualités

CONSUL DE MONACO Nanolotra kits sportif ho an’ny mpianatra eto an-drenivohitra


  • Sabotsy 19 Novambra 2016

Fomba iray hahafahana manampy ny ankizy sy ny tanora hivelatra ny fanaovany fanatanjahantena.

Mba hahafahana manampy azy ireny dia tonga nanolotra fanamiana sy kojakoja fanaovana fanatanjahantena ho azy ireo ny Consul de Monaco ka  ireo  sekolim-panjakana  miisa 48 eto Antananarivo Renivohitra  no voakasik’izany. Vokatry ny fiaraha-miasan’izy ireo tamin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena no nahafahana nanatontosa ny hetsika  ka ny 28 amin’ireo dia sekoly ambaratonga fototra avokoa raha CEG sy  lycée ny 20 ambiny.  Hetsika efa fanaon’izy ireo isan-taona ny tahaka izao raha ny fanazavan-dRatianjatovo Mirana,  tompon’andraikitra eo anivon’ity Consulat iray ity. Tamin’ny taon-dasa dia sekoly miisa 16 no nahazo tombontsoa ao anatin’ilay tanjona sy teny filamatra manao hoe : ao anatin’ny vatana tomady no misy ny saina matsilo izay sady mahakasika ny ara-panahin’ny mpianatra ihany koa.  Efa tamin’ny taona  2010 moa ny Consul de Monaco  sy ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena no efa niara-niasa.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT