Vahaolana vaovao aroson’ny orinasa Colas Madagasikara ho an’ny mpanjifa malagasy ny compomac.
Ity akora ity dia taharo na tara sy fasika voafantina ary vato madinika atao hanotorana sy hanentsenana ireo lavaka eny amin’ny arabe. Azo araraka amin’ny toerana rehetra tiana hatao tara toy ny tokotany sy ny lalankely ho an’ny mpandeha ihany koa ny compomac. Mampiavaka azy dia tsy mila hafanaina amin’ny afo toy ny tara fahita isan’andro ny compomac fa azo ampiasaina mangatsiaka sady mahatanty rano sy vesatra avy hatrany. Efa akora fampiasa any Eoropa efa ho 50 taona ny compomac izay entin’ny orinasa Colas Madagasikara hamahana ny olan’ny fanamboaran-dalàna eto Madagasikara izao. Raha mitaha amin’ny tara mahazatra dia sady mora ny vidiny no azon’ny rehetra ampiasaina avy hatrany ny compomac. Araraka amin’ny toerana voadio tsara tiana hatao godorao na tara ny compomac dia damaina hifitsaka dia izay. 60 ka hatramin’ny 100 kg eo ho eo ho an’ny faritra 1m³ no famendrahana azy ka 2 ka hatramin’ny 6 sm ny hatevina azo anaovana azy. Efa amidy eto Madagasikara ny compomac ka 25.000 ariary ny vidin’ny daba 25 kg. Azo atao ihany koa ny mividy azy amin’ny fatra lehibe ka 48 ora aorian’ny fangatahana dia azo ny entana.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.