Nanao hetsika fitadiavam-bola entina hanampiana ireo kambotikeliny any Ambatolampy ny « Collectif des Officiers de Police de Madagascar » ny faran’ny herinandro teo
indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao. Ankoatra izay dia anisan’ny tanjon’izy ireo ihany koa ny fanamafisana ny firaisankina eo amin’ny samy « officiers de Police », araka ny fanazavana nomen’ny Officier de Police Mandridake Randriamanjaka, filohan’ny COPM. Fahombiazana tanteraka no azo tamin’ny hetsika. Naneho ny fahavononany amin’ny fanatanterahana ny vina napetraky ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ny mpikambana nandritra izany toy ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny asan-jiolahy ary ny famerenana amin’ny toerany ny polisim-pirenena. Vonona izahay hanome tanana amin’ny fahatrarana ireo vina napetraky ny minisitra, hoy izy ireo. Miisa 400 eo ho eo ireo mpikambana ao amin’ny « officiers de Police » eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.