Ny 464 isa amin’ireo mponina manodidina 100.000 ihany eto amintsika no afaka manohy fianarana ambaratonga ambony izay manome salan’isa 0,4 %.
Ireo tanora 18 ka hatramin’ny 25 taona no tena voakasika noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny sy ny havitsian’ny oniversitem-panjakana. Voakasika manokana ny distrikan’i Manjakandriana. Nahatratra 1.000 ireo ankizy afa-panadinana Bakalôrea tamin’ity taona 2016 ity saingy tsy misy afaka manohy fianarana eny amin’ny sekoly ambaratonga ambony ny ankamaroan’izy ireo. Lasa manao asa tsy mifanaraka amin’ny fari-pahaizany ny ankamaroany. Antom-pisian’ny tendron’ny oniversitem-panjakana CNTEMAD ao an-toerana izany, izay vao nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly. Mpianatra miisa 50 no efa nisoratra anarana hianatra ao amin’ity oniversitem-panjakana vaovao ao Manjakandriana ity hatramin’ny omaly. Anisan’ny tanjona hotratrarina ny fisian’ny sekoly ambony manatona ny vahoaka, hoy i Djohary Andrianambinina, tale jeneralin’ny CNTEMAD. Vokatry ny ezaky ny mpitantana no angady nananana izany, lanonana izay nofaranana tamin’ny fifanaovan-tsonia.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.