Actualités

CNTEMAD Mitsoaka an-daharana ny 25%-n’ny mpianatra taona voalohany


  • Alakamisy 04 Desambra 2014

Kihon-dalana eo amin’ny fiatrehan’ny tanora Malagasy ny ho aviny ny fahazoana diplaoma bakalorea. Safidy tsy maintsy hatao no sady manan-danja mantsy ny hanohy fianarana amin’ny ambaratonga ambony na hiditra amin’ny tsenan’ny asa avy hatrany

Safidy tsy maintsy hatao no sady manan-danja mantsy ny hanohy fianarana amin’ny ambaratonga ambony na hiditra amin’ny tsenan’ny asa avy hatrany. Ny zava-misy dia mikatona aloha hatreto ny sehatry ny asa eto Madagasikara vokatry ny krizy naharitra izay tsy mbola voavaha tanteraka. Manamafy izany ny antontanisa farany navoakan’ny Birao iraisam-pirenena momba ny asa milaza fa 4 tapitrisa ireo tsy an’asa eto amin’ny firenena Malagasy ka maro an’isa amin’ireo ny tanora. Fanamarihana avy amin’ny talen’ny «Centre national de télé-enseignement de Madagascar» Rakotondramparany Sylvain ihany koa ny tranga fitsoahan-daharan’ireo mpianatra manovo fahalalana ao amin’ny taona voalohany. Tena manaitra tokoa ny salan’isa satria manodidina ny 25 hatramin’ny 40% izy io, araka ny fanazavana nomeny. Olana iray mahatonga izany ny tsy fifehezantena sy ny tsy fahaizana mamaritra fandaharam-potoana izay antoky ny fahombiazana ho an’ireo misafidy ny fampianarana ampitain-davitra. Sakana hafa ilana vahaolana torak’izay ny fampiharana ny rafitra LMD izay mitaky fotodrafitrasa, fitaovana ary mpampianatra mifanaraka amin’ny vanim-potoana. Efa nisokatra nanomboka ny 18 novambra 2014 teo moa ny fisoratana anarana ho an’ny taom-pianarana 2015-2016 ho an’ireo foiben’ny Cntemad miisa 31 manerana ny nosy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT