Actualités

CNTEMAD Manomboka anio ny fanadinana


  • Alatsinainy 19 Septambra 2016

Hiatrika ny fanadinana fanao isaky ny enim-bolana indray ireo mpianatra manaraka ny fampianarana hampitain-davitra eo anivon’ny sekoly ambony CNTEMAD manomboka anio alatsinainy 19 septambra

. Haharitra andro vitsivitsy izany ka ho an’ireo mpiadina nanana olana tamin’ny taranja sasany nandritra ny  fanadinana notanterahina ny tapaky ny volana aogositra lasa teo dia mbola azon’izy ireo hatao tsara ny manarina izany, hoy ny tale jeneralin’ny sekoly, Djohary  Andrianambinina, indrindra fa ho an’ireo efa miasa. Ankoatra izay dia nomarihiny ihany koa ho an’ireo tsy nahazo taratasy fiantsoana hiatrika ny fanadinana nalefa tamin’ny alalan’ny paositra fa azon’izy ireo atao tsara ny manatona ny sekoly hahafahana maka ny duplicata mifandraika amin’izany.  Miezaka hatrany ny sekoly manamaivana ny olana sedrain’ny mpianatra mba hampirisihina azy ireo. Ho an’ireo karazana vaovao mitranga eo anivon’ny sekoly nefa tsy tafita any amin’ny mpianatra dia nambarany fa azon’izy ireny raisina mivantana amin’ny alalan’ny puce telma nozaraina maimaimpoana tamin’ny mpianatra izany, indrindra fa ireo tsy afaka mivezivezy. Anisan’ireny ny daty hanatanterahana ny fanadinana, ny boky azo hampiasaina ho an’ireo mpianatra mila fandalinana manokana. Ho an’ireo mpianatra nahazo naoty ratsy ka velon-taraina moa dia nanambara ity tale jeneralin’ny CNTEMAD ity fa tsy miankina amin’ny sekoly ary tsy azony hijabahana satria andraikitry ny mpampianatra irery ihany.

Pati


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT