Actualités

CNTEMAD Mampiasa ny teknôlôjia avo lenta


  • Alakamisy 24 Martsa 2016

Niasa nanomboka omaly ny «Centre Régional de Télé-Enseignement d’Antananarivo» amin’ny endriny vaovao.

 

Natao hanampy betsaka ireo mpianatry ny Cntemad eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina ny fanavaozana ny ivontoerana miaraka amin’ny teknolojia avo lenta, hoy ny tale nasionaly dokotera Djohary Andrianambinina. Tombontsoa iray amin’ireo marobe vokatry ny fiaraha-miombon’antoka avy amin’ny orinasa Telma ampiasaina ny fahavitan’ny fisoratana anarana eo no ho eo ho an’ireo mpianatra vaovao. Eo ihany koa ny fisitrahan’ireo mpanovo fahalalana sy ireo mpanabe ny tranomboky nomerika miaraka amin’ireo fitaovana raitra fampiasa toy ny finday hiaka farany ilaina amin’ny fampianarana hampitain-davitra. Tafiditra amin’ny fampiharana ny fitantanana mahomby ao anatin’ny politikan’ny departemantan’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa kosa ny fanatsarana ao amin’ity foibe eny Ankadifotsy ity, hoy kosa ny minisitra Rasoazananera Marie Monique. Tanjona rahateo ny hanamaivana ny andraikitr’ireo oniversite manoloana ny habetsahan’ireo tanora manohy fianarana eny amin’ny anjerimanontolo. Vahaolana amin’izany ny fisian’ny Cntemad, araka ny fanampim-panazavany.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT