Actualités

CNTEMAD Hampihena ny tahan’ny Malagasy mahantra


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2016

Tigetran’ny CNTEMAD (Centre National de Télé-Enseignement de Madagascar) hatrany am-pamoronana azy ny taona 1992 ny fanatonana ny Vahoaka.

Tanjona lavitr’ezaka ohatra ny fampijoroana ireo masoivohon’ny CNTEMAD eny anivon’ireo Distrika 119 eto Madagasikara. Efa miparitaka amin’ny renivohi-paritany sy tanàn-dehibe 34 moa ankehitriny ny ivon-toeram-panofanana ivelan’ny rindrina. Tsy mivaona amin’izany rahateo ny ezaka tontosain’ity sekolim-panjakana fampitain-davitra ity dia ny fanampiana ny Malagasy tsy an-kanavaka, indrindra ny tanora hisitraka ny fampianarana ambaratonga ambony manerana ny nosy. Manaporofo io fahavononan’ny mpitantana io ihany koa ny fisafidianana manokana ireo lalam-piofanana 8 dia ny lalàna, fitantanana, informatika, serasera, varotra, siansa ara-toekarena, fifandraisan-davitra ary ny famoronana indostrialy izay mitodika kokoa mankany amin’ny tsenan’ny asa. Hampihena ny tahan’ny fahantrana eto amin’ny firenentsika ny fahafahan’ireo tanora Malagasy manovo fahalalana sy fahaizana amin’ny alalan’ny CNTEMAD, hoy ny ny Tale nasionaly, dokotera Djohary Andrianambinina. Latsaky ny 4% hatreto ny salan’isan’ny mponina eto Madagasikara nandia ny fianarana ambaratonga ambony.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT