Mpanampy akaiky na Clerk-na vadintany Malagasy niisa 136 manerana ny nosy no nomen’ny CNHJCPM “Chambre Nationale des Huissers de Justice et Commissaires Priseurs Madagascar” na ny holafitry ny vadintany sy mpanao lavanty Malagasy notarihan’ny filohany,
Me Rasamimaka Mahefalahy tetsy amin’ny ENMG “Ecole Nationale de la Magistrature et des Greffes” etsy Tsaralalàna Antananarivo omaly alakamisy 14 martsa 2019. Fampitovizana tadin-dokanga amin’ny asa ataon’izy ireo any amin’ny misy azy avy no tanjona tamin’ny fampiofanana sy ho fanomezana haja sy hasina azy ireo. Rtoa lefitry ny lehiben’ny fampanoavana eto Antananarivo niaraka tamin’ny filohan’ny CNHJCPM no nitondra fanazavana ny tsara ho fantatra manodidina ny asan’ireto Clerk-na Vadintany nanaraka fiofanana ireto ary namaly ihany koa an’ireo fanontaniana nanitikitika azy ireo eo amin’ny olana mianjady aminy avy eo amin’ity asany ity. Ny tena olana goavana indrindra ho anay Huissier de Justice sy ireo Clerk manampy anay, hoy i Me Rasamimaka, dia mahasosotra ny olona foana izahay amin’ny fisian’ny andaniny sy ankilany eo amin’ny raharaha sahanina nefa tsy izahay no mamoaka ny didim-pitsarana fa ny mpitsara mandray ny raharaha.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.