Hiara-kiasa akaiky ny CNaPS sy ny Airtel Money manomboka izao hahafahana manamaivana ny fahasahiranan’ny mpanjifa. Tontosa omaly ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta, notanterahin’Andriamatoa Maixent Bekangba tale jeneralin’ny Airtel Money an-daniny sy Rabekoto Arizaka Raoul tale jeneralin’ny CNaPS an-kilany. Tanjona ny hahafahan’ireo orinasa mpikambana eo anivon’ny CNaPS mandoa ny latsakembok’ireo mpiasa ao aminy amin’ny alalan’ny Airtel Money ka tsy handaniana fotoana be sy saran-dalana toy ny teo aloha intsony. Eo ihany koa ny mba hahafahana miaro ny ain’ny mpitondra vola, indrindra amin’izao tsy fandriampahalemana manjaka manerana ny faritra maro izao. Nomarihin’ny tale jeneralin’ny Airtel Money moa fa fomba maro no hahafahan’ny rehetra mandefa ny vola amin’ny alalan’ity orinasa ity ankehitriny. Nosinganiny hiarahana miasa manokana ny CNaPS noho ireto farany miezaka hatrany manatsara ny tolotra omeny ny mpiasa, eny fa na dia ireo tantsaha mpamokatra aza.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.