Actualités

CNaPS Nosokafana ny Tendro any Ifanadiana


  • Talata 02 Oktobra 2018

Ho fanalana ny fahasahiranan’ny mponina any Ifanadiana izay kaominina any amin’ny 423 km Atsimo Atsinanan’Antananarivo,

 

 

 

 

73km miala eo Fianarantsoa, mihazo ny lalam-pirenena faha-12 mizotra mankany Manakara  dia nanapa-kevitra ny toniam-pitantanan’ny CNaPS nametraka tendro any an-toerana. « Tafiditra amin’ny politika amin’ny fanakaikezana ny olona sahanina ny fanokafana ny tendro ary  entina ihany koa hanatsarana ny fomba fiasa no antony nanganana tendro teto Ifanadiana. Toerana fandalovana i Ifanadiana raha hizotra ho any Atsimo Atsinanana iny nefa kosa kihon-dalana andalovana raha avy any Ikongo na Ambohimanga Atsimo sy Ampasitsara izay toerana lavitra andriana tokoa nefa dia misy mpiasa tokony hisitraka ny fiahiana ara-tsosialy. Azo lazaina fa toerana tsara izy raha misy Tendro CNaPS. Manana ny maha izy azy ihany koa ity faritra ity raha fambolena ary izao dia efa fisantarana sahady ny vinan’ny CNaPS amin’ny fisokafana amin’ny fiahiana ara-tsosialy omena ireo mpamboly », hoy Ramatoa Tsaboto Joslina mpandridra ny tendro sy ny masoivoho eo anivon’ny CNaPS foibe. Ny sabotsy 29 septambra lasa teo no nanokafana ny tendro ka distrika roa no raisin’ny CNaPS an-tanana dia Ifanadiana sy Ikongo. Toy ny mahazatra moa dia nialohavana fiofanana nandritra ny telo andro izy io nokarakarain’ny Sampana SASS (Service d’Action Sanitaire et Sociale) eo anivon’ny CNaPS. Tanjona ny hahaizan’ireo mpisitraka ny fiahiana ara-tsosialy hahay hampiasa araka ny tokony ho izy ity tendro vaovao ity. Nahatratra 95 ireo mpiofana nahitana Ben’ny tanàna sy ny tompon’andraikitra avy amin’ny orinasam-panjakana, ny ONG Pivot Ranomafana sy ireo mpiasa ao amin’ny MNP (Madagascar National Park), ny Centre Valbio Ranomafana, ireo mpampianatra sy mpianatra amin’ny STR Manakara ary koa ireo mpitondra fivavahana maro samihafa. Nahazo fiofanana avy amin’ny ekipa CNaPS mikasika ny didy aman-dalàna, ny asa ary ny fiahiana ara-tsosialy izy ireo izay tsy maintsy adidy ataon’ny mpampiasa amin’ny mpiasa. Ary didin’ny lalàna izany eto amin’ny tany sy ny fanjakana araka ny lalàna velona sy ny maha zo fototra iraisam-pirenena ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa rehetra tsy an-kanavaka. Nisy koa ny fampahafantarana ny adidy sy andraikitry ny CNaPS sy ireo tolotra omeny ireo mpikambana ao aminy.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT