Nampiofana ireo tompon’andraikitr’ireo orinasam-panjakana ao Mahajanga, ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale).
Natao izao fampiofanana izao mba ahafahana mamaha ny olana misy amin’ireo mampiasa «contractuel » na ECD (Employé à Courte Durée) izay tsy mahazo ny zony noho ny antony maro. Mikasika ny fanampiana fianakaviana, fanampiana iatrehana ny loza sy ny aretina vokatry ny asa ary indrindra ny fisotroan-dronono ny zo. Maro ny olana mahatonga ny tsy fahazoan’izy ireo ilay fanampiana. Eo ny olana ara-bolan’ny mpampiasa, olana avy amin’ny CNaPS ihany koa, mety avy amin’ny orinasam-panjakana. Nisy ny fikaonan-doha niarahan’ireo orinasa miankina sy tsy miankina miaraka amin’ny CNaPS nandritra ny fampiofanana izay naharitra roa andro ny alarobia 7 sy alakamisy 8 septambra 2016 teo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.