Actualités

Clément Jaona Hiady ho an’i Faniry Ernaivo ny SMM


  • Talata 12 Novambra 2019

Izy tenany no nampahafantatra ahy fa voaroaka izy ary tamin’ny alalan’ny “compte fake” fa hatreto tsy mbola nisy fanambarana ofisialy avy amin’ny Filankevitra ambonin’ny Mpitsara (CSM),

hoy ny filohany Atoa Clément Jaona omaly, manoloana ilay raharaha fandroahana tsy ho mpitsara an-dRtoa Faniry Ernaivo. Anio talata ny solontenan’ny CSM no hanao tatitra. Fanapahan-kevitra ara-dalàna no nampiasain’ny CSM ka tokony ho ara-dalàna ny fangatahana amin’ny alalan’ny fanafoanana (annulation) no hoentin’ny voakasika, hoy izy. Tsy hisy fitondram-panjakana na mpitondra hihemotra amin’ny fanapahan-kevitra noraisiny izany. Raha mahita izy fa tsy ara-dalàna ny fandroahana azy dia mampahafantatra ny Filankevi-panjakana hampihantona ny didy, raha ny fanehoan-keviny. Tsy eto an-toerana moa Rtoa Faniry Ernaivo amin’izao. Nambarany fa zo efa fanta-poko fanta-pirenena ny fiarovan-tena ary io no mety ho fomba fiadiny, raha ny hevitr’i Clément Jaona hatrany. Raha ny lalàna dia 48ora aorian’ny fampahafantarana azy (notification) ny fahafahana mangataka fampiatoana (sursis) ary 3 volana ny fiandrasana fanafoanana. Izay ihany ny vahaolana azo atao amin’io, hoy ity filohan’ny SMM ity, izay naneho fa hanoro hevitra sy hanampy azy amin’ny fangatahana fanafoanana ny fanapahan-kevitra. Marihina fa nangataka ny handalim-pahaizana sy hanaraka fiofanana any ampitan-dranomasina ka any Frantsa i Fanirisoa Ernaivo ankehitriny.

Toky R sy Maringny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT