Actualités

Clément Jaona, filohan’ny SMM “Aleo foanana ny HCJ …”


  • Alakamisy 06 Jona 2019

Mila foanana ny fitsarana ambony na ny HCJ (Haute Cour de Justice), izay natao hitsarana ireo olom-panjakana ambony, toy ny filoham-pirenena, filohana andrim-panjakana, praiminisitra, minisitra,

 

 

raha ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) Atoa Clément Jaona. Betsaka loatra sy sarotra ny andininy tsy maintsy arahina (procédures), toy ilay resaka fahazoan-dalana avy amin’ny depiote maro an’isa eny Tsimbazaza, ka toa very maina sy tsy tontosa ny fanenjehana. Ny andininy faha-133 amin’ny lalàmpanorenana no mamaritra ny tsy maintsy hakana tsodrano sy alalana amin’ny antenimieram-pirenena ka vao ny ao no manda dia rava naman’ny midaboka. Noraisiny ho ohatra ny raharaha mahasaringotra ny praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier izay tsy nisy tohiny intsony. Ny olona rehetra voarohirohy dia tokony hafahana avokoa satria ny tompon’antoka voalohany na ny “auteur principal” tsy migadra, hoy Atoa Clément Jaona. Tsy tokony hisy mihitsy izany « juridiction spécialisée », ka nilazany ny tokony hanovana ny lalàmpanorenana sy ny lalàna mikasika ny HCJ tsy hifanitsaka amin’ny antenimieram-pirenena raha tsy foanana. Dosie 14 no eo am-pelatanan’ny HCJ, saingy tsy misy tohiny hatreto.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT