Actualités

Claudine Razaimamonjy Tsy ho eny Antanimora mihitsy ?


  • Alatsinainy 24 Aprily 2017

Manjavozavo ny raharaha Claudine Razaimamonjy. Tafaverina eto Madagasikara ny sabotsy 22 aprily teo ity mpandraharaha mpanefoefo ity ary naiditra hopitaly etsy amin’ny HJRA Ampefiloha indray.

 

 Voahaja ny lalàna ary misy toromarika mazava avy amin’ny mpitsabo milaza fa mila tohizana ny fitsaboana an-dRazaimamonjy Claudine ka izany no antony nivantanany avy hatrany ao amin’ny HJRA, hoy ny fanambarana ofisialin’ny minisitry ny serasera Harry Laurent Rahajason omaly. Manaraka ny lalàna ny fanadihadiana rehetra momba ny raharaha Claudine ary tsy miditra amin’izany ny filoham-pirenena sy ny fiadidiana ny repoblika fa malalaka manao ny asany ny fitsarana, hoy hatrany ny fanambarana. Ny mahagaga amin’ity raharaha ity anefa dia matoa nalefa tany Maorisy Rtoa Claudine R nitsabo tena dia misy ny zavatra tsy vita eto Madagasikara ary tsy iadian-kevitra fa efa raitra sy maoderna kokoa ny toeram-pitsaboana any. Koa nahoana no rehefa miverina eto Madagasikara izy dia mbola nampidirina eny amin’ny HJRA indray ? Fa inona marina ny aretiny ? Sa ve sanatria paikady hanemorana hatrany ny fidirana any am-ponja na ny tsy hidirana any mihitsy izao atao izao ? Raha nanainga ho any Maorisy sy nandritra ny roa herinandro nijanonany tany, nahoana no tsy namoaka vaovao ofisialy ny fitondrana Malagasy fa izao izy miverina izao sy rehefa voatendry ho minisitry ny serasera i Harry Laurent Rahajason no mivoaka haingana ny fampitam-baovao momba an-dRazaimamonjy Claudine ?

TSY MAINTSY MANEFA NY SAZINY

Tokony hohajaina ny lalàna ary hampiharina ny didy famonjana vonjimaika navoakan’ny Fitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly (CPAC) an’i Claudine Razaimamonjy aorian’ny fizahana ara-pahasalamana ataon’ny mpitsabo azy, raha ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM), Faniry Ernaivo tamin’ny tambajotram-pifandraisana “facebook” omaly.  Andrasana, araka izany, ny fampiharana didy ho an’ity ramatoa voarohirohy tamina kolikoly avo lenta ity. Tsiahivina fa vao dosie 2 no vitan’ny Bianco fanadihadiana. Mitentina 500 000 000 Ariary ny resaka kolikoly tamin’izany, ka nanapahan’ny CPAC hevitra ny hampiditra azy am-ponja vonjimaika, saingy izy narary ary lasa tany Maorisy iny. Mbola misy 4 kosa ireo dosie tsy mbola vita fanadihadiana, raha ny fanambaran’ny Bianco, izay midika fa tsy mbola maro ny vesatra hanenjehana azy, ary mety tsy ho afa-bela i Claudine Razamimamonjy.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT