Actualités

« Cité »-n’ny mpianatra eny Ankatso Tsy maintsy aloa ilay 50 000 Ar, hoy ny minisitra


  • Alakamisy 21 Aprily 2016

Hentitra ny tenin-dRamatoa Rasoazananera Monique minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa omaly

 

izay nanamafy ny efa nambaran’ny talen’ny CROUA fa tsy maintsy mandoa ilay latsakemboka 50 000 Ar isan-taona ireo mpianatra hiditra amin’ny « Cité » na ny trano fonenan’ny mpianatra. Ny filankevi-pitantanan’ny CROUA no nanapa-kevitra an’io fepetra io tamin’ny desambra 2015 ary efa izay no fandaminana napetraka dia izay no arahana, hoy izy. Efa nanao ny anjara asany ny fanjakana tamin’ny alalan’ny fanorenana trano vaovao, hoy Ramatoa minisitra ary ny mpianatra kosa dia tokony mba hanontany tena hoe : inona no tokony hataon’izy ireo ho an’ny firenena ? Tsy maintsy samy mitondra ny anjara birikiny ary mifanampy isika, hoy ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony omaly, momba ity resaka tranon’ny mpianatra ity. Azo aloa tsikelikely mandritra ny enim-bolana moa ity vola 50 000 Ar ity, araka ny fanampim-panazavana voaray ihany. Koa izay vonona dia afaka miditra amin’ny trano avy hatrany, hoy ny minisitra.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT