Actualités

CISCO ANTSIRABE II Hanarina ny lesoka tamin’ny voka-panadinana lasa teo


  • Alakamisy 04 Desambra 2014

Nanamarika ny fidiran’ny mpianatra tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny taom-pianarana 2014-2015 ny Cisco Antsirabe faharoa ka ny Kaominina Andranomanelatra tamin’ny alalan’ny Epp Tsaravavaka no nandray izany

Nambaran’Atoa Rabetrano Mamy, lehiben’ny Cisco tamin’izany fa napetraky ny Minisitera ho fanamby ny lohahevitra “Ny Fanabeazana : Fanohitra lehibe ho an’ny fampandrosoana harahan’ny rehetra sy ara-drariny”. Hiompana amin’izay avokoa ny hetsika rehetra izay hatao mandritra ny taona raha ny fanazavany ka tafiditra amin’izany ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana sy fampiakarana ihany koa ny voka-panadinana, izay anaovana ezaka be dia be, ankoatra ny fanatsarana ny fitantanana ny maha olona dia ireo mpampianatra izany ka tafiditra amin’izany ny fanofanana ireo mpampianatra. Fa anisan’ny olana nambaran’ity tompon’andraikitra ity tsy fahampian’ny fotodrafitrasa handraisana ireo mpianatra eo amin’ny sekolim-panjakana ka mahatonga ny famerana ny isan’izy ireo izany. Na izany aza dia efa misy ireo fikambanana samihafa manohana ny Cisco amin’ny fanorenana fotodrafitrasa hahafahana mamaly ny olan’ny tantsaha. Atoa Rakotosalama Zefa Harisoa, Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena dia nanambara tamin’ny lahateniny fa tsy nahafa-po ny voka-panadinana farany teo, indrindra ny fanadinam-panjakana ka hiezaka izy ireo hametraka fomba fiasa hampiakarana indray izany satria mbola ambony ny tahan’ny famerenan-taona ary nidina ny tahan’ny afa-panadinana teo amin’ny BEPC sy ny BAC ary mbola nisy ny nitsoaka an-daharana. Ohatra noraisiny ny famerenana ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy tompon’andraikitra, ny fanarahan-dalàna sy ny fanaraha-maso ny fampianarana. Nisy ny fanolorana fanomezana ireo mpianatra 15 mendrika indrindra nanerana ny Cisco ka ankoatra ny fitaovam-pianarana samihafa dia notoloran-dRtoa Ravelohanitra Nirina, Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Antsirabe faharoa 20.000 Ariary avokoa ireo kilonga ireo, ho fankasitrahana ny ezaka vitany sy ho fampirisihana ny hafa.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT