Actualités

Cisco Antananarivo Renivohitra Talen-tsekoly enina indray nesorina


  • Zoma 28 Oktobra 2016

Tale miisa enina amin’ny EPP sy CEG ary Lisea ato amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra no nesorina tampoka tamin’ny toerany.


 Anisany ny EPP Ambohipo izay niteraka savorovoro teo amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ny fanoloana Tale. Voakasik’io fanoloana io ihany koa ny tao amin’ny EPP Ilanivato ary CEG Anosibe izay vao tamin’ny herintaona no nanendrena azy ireo dia nesorina sahady. Raha ny loharanom-baovao dia tsy miankina amin’ny traikefa sy fahaizamanao intsony ny fanendrena tale amin’ny EPP na CEG na Provizera amin’ny Lisea fa lasa arakaraky ny fifankahazoana na resaka kinamanamana. Taloha raha olona maromaro no miara-manapaka ny fanendrena talen-tsekoly, amin’izao roa raha betsaka no manapaka izay olona tian’izy ireo apetraka etsy sy eroa. Hatreto mangina samy tsy andrenesam-peo na ny minisitera na ny foibem-pitondrana ankapoben’ny fampianarana (DREN) sa ve efa fanao hatrany ambony io fanendrena kinamanamana io ?

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT