Actualités

CINDH Mila jerena akaiky ny fenitry ny kianjan`i Mahamasina


  • Alatsinainy 01 Jolay 2019

Nanao fanambarana ny vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny zon`olombelona (CINDH) manoloana ny famoizana ain`olona nandritra ny lanonana tao Mahamasina ny 26 jona lasa teo.

 

 

Miantso mba hamerenana sy hijerena maso indray ny fenitra mifandraika amin`ny filaminana sy fiarovana momba ny fotodrafitrasan`ny kianjaben`i Mahamasina ny CINDH. Tsy tokony hihoatra ny 42 000 ny isan`ny olona zakan`ny kianjan`i Mahamasina kanefa efa tafiakatra avo roa heny no ho izay ny mpijery nandritra ny hetsika. Ankoatra izay, nanome toromarika ho an`ireo mpikarakara hetsika mba hametraka fepetra hentitra sy azo antoka entina hisorohana ny fanosehana izay miafara amin`ny famoizana ain`olona tahaka ireny. An-kilan’izay, takiana amin`ny isam-batan`olona ny fananana fahatoniana hatrany ao anatin`ny fivorina. Farany dia mangataka ny hisian`ny fanadihadiana lalina momba ireo tranga miverimberina nahafatesana olona tao amin`ny kianjaben’i Mahamasina ny CINDH. Naneho fiaraha-miory amin`ireo mana-manjo izy ireo tamin`ny alalan` ny fampitam-baovao izay navoakany.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT