Humberger,frites, pizza ! izany no vetivetesin’ny Malagasy maro ankehitriny rehefa miresaka mahakasika ny sakafo. Takona ary tsy hita intsony ny ankamaroan’ny tena sakafo Malagasy ary na ny haninkotrana izay maha-izy azy ny Malagasy aza tsy misy mihinana.
Mila ampahafantarina ny Malagasy sy ny any ivelany fa tsar any sakafo Malagasy hoy I chef Mariette. Mandritra ny fankalazana ny hetsika ara-tsakafo Haify amin’ny 26 sy 27 Oktobra etsy amin’ny zaridainan’Andohalo dia hisy ny fampahafantarana ireo sakafo tena Malagasy. Miisa 100 mahery ireo sakafo tena Malagasy (spécialités ) ary maro no tsy mahalala akory izany hoy hatrany I Chef Mariette izay mankalaza ny faha-60 taonany nanaovana lakozia. Tsiahivina fa efa niasa tany amin’ireo firenena maro tany ivelany ny tenany ary nanandratra sy nanasongadina hatrany ny sakafo Malagasy. Tanjona amin’ity hetsika ity ihany koa ny fampisehoana ny harena Malagasy indrindra ny any an-dranomasina. Averina amin’io fotoana io koa ny mahakasika ny kilalao tsikonina izay takona tanteraka ankehitriny ary vitsy ny ankizy no mahafantatra ny fisian’izany.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.