Actualités

Chandoutis Raoera Tokony hijoro hampihavana ny vehivavy


  • Talata 08 Martsa 2016

Ny vehivavy no anisan’ny aina iray mamelona na mamono ny firenena iray, hoy i Chandoutis Raoera.

 

 Raha mahafantatra ny andraikitra tokony hosahaniny ny vehivavy maro isan-tsokajiny ao amin’ny firenena misy azy ary omena fahalalana hanatontosa izany dia handroso ho azy ny firenena. Mbola ny vehivavy ihany koa no tokony hijoro amin’ny fametrahana ny fihavanana eto amin’ny firenena, indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy izao. Tsy handeha mantsy ny firenena raha miady sy miolonolona ny tsirairay. Ny mampalahelo eto amintsika anefa, hoy hatrany izy dia tsy ampy ny fahalalan’ny vehivavy handraisany andraikitra  ka tokony hampahafantarina azy. Tafiditra ao anatin’izany ny zony, izay tokony hodradraina sy hanaovana fanentanana mafy amin’izao fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy izay hankalazaina anio talata 8 Martsa izao. Tsiahivina moa fa ity renim-pianakaviana ity no anisan’ny vehivavy voalohany nanangana ny fikambanana miaro ny zon’olombelona teto amintsika.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT