Actualités

"Chambre" fanaovana firaisana Mandeha be ny tsena


  • Alarobia 07 Desambra 2016

Anisan’ny toerana iray be mpitsidika tato ho ato, indrindra fa ho an’ireo mpifankatia miafina ny efitrano eny amin’ireny hotely fandraisam-bahiny ireny.

Araka ny fanadihadiana natao tamina ivontoerana iray misahana izany eto an-drenivohitra dia mahatratra 20 isan’andro raha kely ny olona raisin’izy ireny, amin’ny sarany 15.000 Ar. Voafetra ao anatin’ny roa ny fiarahana. Manomboka amin'ny 30.000 Ar kosa ny hofan’ny matory indray alina, misy fahitalavitra, trano fidiovana ary rano mafana. Ireo olona efa manambady saingy  manana olon-tiana hafa na efa nisara-bady amin’ny ankapobeny no tena voasarik’izy ireny. Tsy dia maro kosa ireo mpifankatia vao misondrotra. 18 ny salan-taonan’ireo  kely indrindra, manodidina ny 60 taona kosa ny zokiny indrindra. Tsy maintsy manana kara-panondro ny roa tonta. Ho an’ireo mpifankatia tsy dia manam-potoana hiarahana  firy dia manomboka amin’ny 12 ora antoandro ka hatramin’ny 2 ora no fotoana tena mahabetsaka azy ireny. Ny hariva indray dia amin’ny 5 ora ka hatramin’ny 7, ankoatra ny zoma alina ( vendredi magnifique) izay mety ho tafakatra hatrany amin’ny 40 ny isany. Andoavana lamandy 10.000 ka hatramin’ny 100.000 Ar ny fahatrarana vehivavy na lehilahy efa manambady manitsakitsaka am-badiny. Mety ho tonga hatrany amin’ny fanagadrana telo volana ka hatramin’ny herintaona an-tranomaizina, araka ny andininy faha-336 sy 337 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana tamin’ny 17 jona taona 1972 izay nohavaozina ny 30 jona 1998.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT