Actualités

Chabani Nourdine « Vitsy ny orinasantsika »


  • Alakamisy 20 Oktobra 2016

Manan-danja ny fampiroboroboana ny indostria ao anaty firenena iray, hoy ny minisitry ny indostria, Nourdine Chabani.

 

 Efa tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asam-panjakana izany. Tsy vitan’ny manome asa fa mampihodina fihariana maro lafy miainga avy any amin’ny tantsaha mankany amin’ireo indostria. Anisan’ny mampiditra haba ao amin’ny kitapom-bolam-panjakantsika izy ireny. Tapaka nandritra iny fihaonamben’ny COMESA iny fa tsy maintsy hisy ny fampiroboroboana ilay fifanakalozana eo amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina (PPP). Hanana tombony manomboka izao isika satria filohan’ny Comesa ary mivelatra ireo mpandraharaha amin’ny fandraisana anjara ao anatin’io. Olana eto amintsika ny fahavitsian’ny orinasa izay miisa 200 monja kanefa dia ny 86 amin’ireo ihany no ao anatin’ny SIM na ny sendikan’ny indostria. Ao anatin’izao fitondrana ny Comesa izao, araka izany, no hampivoarana io tarehimarika io.

Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT