Actualités

CFAN Hanampy ireo tanora tsy an’asa


  • Alatsinainy 04 Aprily 2016

Niampy iray indray ireo ivontoeram-pampiofanana eto amintsika hanampy sy hanohana ireo tanora tsy an’asa, indrindra fa ireo tsy manana diplaoma.

 

  Nampahafantarina ny sabotsy teo ny fisian’ny  « Centre de Formation professionnelle d’Agent consignataire de  Navires” na CFAN etsy Faravohitra.  Mampiavaka ity  ivontoeram-piofanana ity ny fahafahany mandray an-tanana  ireo tanora tsy mba afaka nanohy ny fianarany hatrany amin’ny farany toy ireo nijanona  tao amin’ny kilasy fahasivy  izay hofanina ho lasa “water clerk” raha ho tonga  “agent consignataire de navires” kosa ireo  nandalo tao amin’ny kilasy faha-12.  Fiofanana matihanina no omen’ny  CEFAN amin’izany maharitra telo volana ny teoria ho an’ireo nijanona tao amin’ny kilasy fahasivy  raha enim-bolana kosa ho an’ireo  nandalo tao amin’ny kilasy famaranana. Mitovy kosa ny fotoana hanaovana ny fampiharana izay samy  telo volana avokoa  hatao avy hatrany eny amin’ny seranan-tsambo lehibe toa an’i Toamasina. Tombony manokana amin’ity fiofanana ity moa ny fahafahan’ireo tanora mpianatra manao asa tenany fa tsy voatery hiasa amina orinasa hikarama isam-bolana raha mbola malalaka ihany koa ny tsenan’ny asa. Ny sekoly avokoa no miantoka ny lany rehetra amin’ny trano hipetrahan’ny mpianatra sy ny sakafony mandritra ny fotoana  hanaovany fianaran’asa any Toamasina.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT