Actualités

Centre sembana mijoro Ambohibao Morondava Mampianatra ireo sembana hahay mamaky teny sy manoratra


  • Talata 04 Desambra 2018

Tsy vesatry ny fiarahamonina velively ny olona manana fahasembanana fa afaka mandray anjara amin’ny fampandehanana ny fiainana andavanandro ihany koa, indrindra fa ny fampandrosoana ny firenena.

 

 

 

Mbola mahazo vahana ihany anefa ny fanilikilihana azy ireny eto amintsika, manomboka any amin’ny sehatry ny fampianarana ka hatrany amin’ny sehatry ny asa. Anisan’ny miady amin’izany ny  Centre Sembana Mijoro eny Ambohibao Morondava, tarihin’ny filoha mpanorina azy Rtoa Fela Razafinjato. Mandray tsy mitsahatra ireo ankizy manana fahasembanana ity fikambanana iray ity tao anatin’ny 15 taona nijoroany. Ankoatra ny fanampiana azy ireo hahay hamaky teny sy hanoratra dia tarihina hahay asa tanana ihany koa izy ireo. Anisan’izany ny zaitra, ny fanamboarana mofomamy….izay efa nanokafan’izy ireo toeram-pivarotana sakafo masaka eny Analamahitsy mihitsy ankehitriny. Olona manana fahasembanana avokoa no mampandeha ny asa rehetra ao anatin’izany. Tsy diso anjara tamin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny olona manana fahasembanana izy ireo omaly. Famalifaliana ireo ankizy manana fahasembanana beazina ao amin’ny centre sy hampahafantarana ny fikambanana no nentin’izy ireo nankalazana izany. Tany amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany kosa no nanaovana ny famarihana tamim-pomba ofisialy ho antsika teto Madagasikara. Tonga nanatrika tany an-toerana ny minisitry ny mponina Naharimamy  Irmah notronin’ireo tompon’andraikitra maro isan-tsokajiny. Nofaranana tamin’ny  fitsidihana ireo trano eva nivarotan’ireo olona manana fahasembanana ny zava-bitany ny hetsika ka anisan’ireny ny akanjo, ny kiraro, ny pôketra…

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT