Actualités

Centre Immatriculateur de Madagascar


  • Alarobia 18 Septambra 2019

« Permis » 21.205 sy « carte grise » 7.835 no vita tao anatin’ny 5 volana

 

 

Tao anatin’ny 5 volana, ny volana mey ka hatramin’izao volana septambra izao, dia permis biometrika 21.205 ary “carte grise” 7.835 no efa vita teo anivon’ny CIM na “Centre Immatriculateur de Madagascar ». Araka ny fanazavana voaray tamin’ny tompon’andraikitra mpikarakara, nandritry ny herintaona teo no sahirana sy navesatra ho azy ireo ny fikarakarana fa amin’izao dia efa milamina ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra. Tsy misy intsony ny olana momba ny fikarakarana. Ny tsy hisin’ny filaharana lava intsony no tanjon’ny CIM amin’izao. Afaka manamboatra  permis isan’andro ny olona te hanavao na hanamboatra ary efa misy ny fandaminana. Tokana ny birao fandoavam-bola sy fanaterana ny dosie, dia ao amin’ny CIM Ambohidahy irery ihany. 30.000 ariary ny saran’ny vola hanaovana taratasy fahazoana mamily ary 75.000 ariary ny carte grise ary eny amin’ny “caisse” irery ihany no handoavana ny vola. Ho an’ireo olona afaka fanadinana tany amin’ny “auto ecole” indray ka haka permi biometrika, dia maka nomerao “bordereau” any amin’ny ATT sy ny nomerao any amin’ny “auto ecole” dia mandoa sarany ao amin’ny CIM dia mahazo, hoy hatrany ny fanazavana. Ankoatra izay miady amin’ny kolikoly ihany koa ity sehatra iray ity. Nambaran’io tompon’andraikitra io, fa ireo olona tsy mahalala na mahafantatra dia manatona ireo olona ivelan’ny mpiasan’ny CIM  na mpanera. Miara-miasa amin’ny polisy izy ireo. Ny hamongotra ireo mpanera no tanjona. Manentana ireo olona mba tsy hanome vola na dosie an’ireo mpanera fa hanatona avy hatrany ny biraon’ny CIM. Ny olona avy any ambanivohitra, hoy ny fanazavana no voasolokin’ireo mpanera ireo. Efa nisy voasambotra ary anisan’izany ny mpanao taratasy hosoka sy ireo mpaka volabe aman’olona izay efa migadra eny Antanimora. Mitohy ny fikarohana sy ny fisamborana ataon’ny CIM.

 

Sitraka r.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT