Actualités

« Centre digital pour les femmes » Ezahana hahazo tombontsoa avokoa ny boriborintany rehetra


  • Alarobia 06 Janoary 2016

Ezahana hahazo tombontsoa avokoa atsy ho atsy ireo vehivavy manerana ny boriborintany enina eto Antananarivo renivohitra liana amin’ny fiofanana maimaim-poana amin’ny fikirakirana solosaina, amin’ny alalan’ny Centre digital pour les femmes karakarain’ny Ong East sy ny Fondation Orange.

Vehivavy manodidina ny 100 eo ho eo ankehitriny no efa mahazo tombontsoa  toy ireo mpanasa lamba, mpivarotra amoron-dalana… entina hanampiana sy hanohanana azy ireo amin’ny fiatrehana ny fiainana andavanandro, indrindra fa ireo manan-janaka marobe nefa tsy manam-bady mpanohana.Mianatra ora iray isan’andro izy ireo, mifidy izay ora mety aminy  ankoatra ny Alakamisy mianatra mikirakira solosaina, mianatra teny frantsay kely ihany koa arahin’ny fikarohana momba ny fanjairana sy nahandro anaty interneto hahafahany manatsara ny fari-piainany. Mbola olana kely anefa ankehitriny, raha araka ny fanazavan-dRaharimanantena Helenah, tompon’andraikitra eo anivon’ny ONG East ny mbola tsy fahampian’ireo fitaovana avy amin’ny orange. Tsiahivina moa fa ity centre digital ity no centre voalohany eto Madagasikara raha faharoa aty Afrika entina hanampiana ireo vehivavy sahirana mivondrona anaty fikambanana. Ankoatra ny olon-tsotra dia misy ihany koa ny fanofanana manokana ireo vehivavy leader.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT