Vondrona iray hahafahana manaparitaka ny vaky boky sy ny kolontsaina Malagasy ny CLAC na ny “Centre de lecture et d’Animation culturelle”,
vovonana nisokatra nanomboka ny taona 2001 teto amintsika hiarahana amin’ireo tany mampiasa amin’ny am-pahany na manontolo ny teny Frantsay. Vondrona enina vaovao indray no hatsangana eto amintsika amin’ity taona 2016 ity ka anisan’ny voakasik’izany ireo toerana lavitra andriana toy ny distrikan’i Miandrivazo, Antsohihy, Nosy-be… Tonga nitsidika ny CLAC etsy Analakely omaly ny sekretera jeneralin’ny OIF Ramatoa Michaelle Jean, notronin’ny minisitry ny kolontsaina sy ny masoivoho Frantsay miasa sy monina eto amintsika. Anton-diany ny hijery akaiky ny fizotry ny asan’ny CLAC eto amintsika narahin’ny fihaonany mivantana tamin’ireo fikambanan’ny tanora sy Ben’ny tanàna maro isan-tsokajiny. Ireo vondron’ny tany mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny Frantsay ireo mantsy no mamatsy boky ity ivontoerana ity, boky izay voavoatra manokana satria tsy levon’ny afo. Tany Canada no nanamboarana azy ka ny rano irery ihany no fahavalony. Raha araka ny fanazavana azo hatrany moa dia ny kolontsaina malagasy no haparitaka amin’izany saingy ny fiteny fotsiny no amin’ny fiteny Frantsay.
Patty
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.