Actualités

Centre d’Immatriculation Ambohidahy Ravan’ny Bianco ny tambajotra mpanao kolikoly


  • Alakamisy 16 Martsa 2017

Taratasy hosoka, kolikoly amin’ny fandraisana fangatahana hanovana “permis » sy « carte grise » ho biômetrika.

Betsaka ny olona efa nitondra faisana teo amin’ny CIM (Centre d’Immatriculation Ambohidahy), indrindra amin’ny maha antomotra ny fe-potoana farany hanovana ho biometrika ny karatra fahazoana mamily fiara sy ny taratasin’ny fiara. Nanara-maso ny zava-misy sy fomba fiasan’ireo mpanera sy mpanao kolikoly teny an-toerana ny Bianco, taorian’ny fitarainana voarainy. Nahitam-bokany izany satria dia nisy olona 11 voasambotra, ary nanaovana fanadihadiana teny Ambohibao misy ny foiben-toeran’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly. Natolotra ny fitsarana omaly izy ireo, ka ny roa no notanana am-ponja vonjimaika. Amin’ny 7 aprily no fotoam-pitsarana azy ireo.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT