Nasiam-panamboarana ny kianja filalaovana ara-panatanjahantena eo anivon’ny CEG Ratsimilaho. Anisan’izany ny kianja fanaovana hazakazaka (athlétismes) izay fanaovan’ireo klioba fanazaran-tena ao Toamasina
. Toy izany koa ny kianja mifangaro (terrain mixte) ahitana kianja fanaovana basket-ball 03 sy hand-ball 01 ary volley-ball 03. Araka ny fanazavan’ny talen’ny sekoly Atoa Ralandy Anselme sy ny tompon’andraikitry ny fanatanjahantena Atoa Andrianasandratra Lucien Charles, dia “olana amin’ity fanavaozana natao ity ny tsy fanavaozana ny tsipika mampizara sy mariky ny kianja, na efa vita tsara azo andraisana lalao nasionaly aza ny kianja. Ilaina ny fanampiana sy fiaraha-miasa amin’ny famitana izany noho ny olana ara-bola tsy hahavitana ny asa eo anivon’ny sekoly, hoy hatrany izy ireo. An-kilan’izay, misy koa fanamboarana kianja mifangaro vaovao eo anivon’ity CEG Ratsimilaho ity izao, asa izay nankinina amin’ny orinasa SMCC ny fanamboarana azy, izay mbola ahitana kianja filalaovana basket-ball 02 sy hand-ball 01 ary volley-ball 02. Ezahina ho vita ny faran’ny volana izao ity vaovao ity. Ankoatra izay, dia fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena nandalo tao Toamasina farany teo ny fanamboarana ireto kianja vaovao sy nasiam-panavaozana ireto, izay nitokanany ihany koa ny fanavaozana ny efitranon-tsekoly vokatry ny fahasimbana nateraky ny rivo-doza nifanesy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.