Actualités

CEDS Nivoaka ny andiany faha 14


  • Alakamisy 11 Oktobra 2018

Namoaka mpianatra am-polony indray ny CEDS ( Centre d’études diplomatiques et strategiques) tarihin-dRasoarahona Solofo.

 

 

Tetsy amin’ny Carlton  Anosy no nanatanterahana ny lanonana tamim-pomba ofisialy omaly alarobia 10 oktobra natrehin’ny praiminisitra Ntsay Christian.  Andiany faha-14  no navoaka,  misalotra ny anarana  dokotera Jules  Ravony, niofana nandritra ny 12 volana katroka. Zavatra maro loha no nampianarana azy ireo hahafahana miatrika ireo asa fampandrosoana eto amin’ny firenena. Nampiavaka ity andiany ity ny fisafidianana ilay ray mpiahy azy dia ny tale jeneralin’ny birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly. Tsy izaho loatra no nosafidian’ity andiany ity, hoy Atoa Jean Louis Andriamifidy  fa ilay rafitra tantanako. Mino sy mahatoky aho fa anisan’ny hanatevina ny ady amin’ny kolikoly hatao eto amin’ny firenena ny andiany dokotera  Jules Ravony ho fampandrosoana ny firenena. Naseho ampahibemaso omaly ihany koa ireo andiany faha-15 handray anjara  amin’ny fiofanana manaraka. Anisan’ireny ny talen’ny tranopirintim-pirenena etsy Analakely.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT