Telolahy mitam-basy no nanafika ny «Cash point Airtel» ao Toliara-centre ka nahaverezana lelavola mitentina 16 tapitrisa Ariary, niampy finday avo lenta efatra ny harivan’ny 30 jona 2014
. Voasambotry ny mpitandro filaminana ny talata heriny izy ireo, ary natolotra ny Fitsarana tany Toliara, omaly. Fanomezam-baovao avy amin’olona tsara sitrapo no nanamora ny fisamborana an’ireto jiolahy mpandroba ireto. Niady tamin’olona tao Tsimenatse Toliara ny roa tamin’ireo jiolahy nandritra ny hain-trano nitranga ny alin’ny alakamisy 23 oktobra lasa teo. Fa ny iray koadia ekipan’ny «Bandes de 7». Efa ravan’ny polisy tsy ela ity fikambanan-jiolahy ity, ary efa any am-ponja amin’izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.