Actualités

CARAMBOLE SPIRIT TOUR 2014 Hitety faritra maro eto amintsika ny "The rivertones"


  • Talata 21 Oktobra 2014

Hanatanteraka fampisehoana maimaimpoana eto amintsika ny tarika The rivertones, tarika mpiangaly manokana ny gadona reggae avy atsy Afrika Atsimo

Hanomboka anio talata 21 oktobra no hanatanterahany izany ka etsy amin'ny AFT Andavamamba no hisantarany ny fampisehoana, hiarahany amin'ireo mpanohana maro toy ny Kudeta,  ny Alliances Françaises, ny ONG   Bel Avenier any Toliara...Ny 06 Novambra ho avy izao vao hifarana ny hetsika, ahitana fampisehoana miisa valo ka anisan'ny toerana holalovany ny ao Toliara, Isalo, ary Antsirabe. Eto Antananarivo no hamaranany izany, izay manana tanjona manokana hamantatra ireo karazana kolontsaina malagasy ankoatra ny fifanakalozana eo amin'ny samy mpanakanto. Enin-dahy ireo mpikambana ao amin'ny The rivertones. Tany Capetown no niorina voalohany ny tarika tamin'ny taona 2006. Izao fahatongavany eto Madagasikara izao no fivoahana voalohany notanterahiny izay inoana fa hanome fahafaham-po ireo mpankafy sy mpiondana ny gadona reggae eto amintsika.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT