Actualités

CAPSAT Soanierana Nahazo fotodrafitrasa vaovao


  • Alarobia 12 Aprily 2017

Nasiam-panavaozana ny fotodrafitrasa eny amin’ny tobin’ny foloalindahy eny amin’ny Soanierana (CAPSAT), dia ny lalana sy ny toerana malalaka fanaovana “Rassemblement”,

 izay norakofana tara, ka ny orinasa SMATP no nanao ny asa. Ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina kosa no tonga teny an-toerana nitokana izany omaly. Ivon’ny tafika Malagasy ity toby izay mitondra ny anaran’ny Jeneraly Jacques Rasolomalala ity. Taorian’ny 40 taona mahery nisiany, dia tonga amin’ny nieritreretana azy ny fanatsarana sy ny fanajariana. Nanaiky ny filoha fa tena nisy tokoa ny fiovana ary nanambara fa hohatsaraina hatrany ny tontolo sy ny fari-piainan’ny miaramila, ary hitarina any amin’ny toby hafa izao fanatsarana tao amin’ny toby CAPSAT izao. Mila mandroso sy miara-miasa ao anatin’ny fifampatokisana isika, hoy ny filoham-pirenena. Teboka miisa 3 kosa no nangatahin’ny filoham-pirenena amin’ny foloalindahy, dia ny fitandroana hatrany ny hasina, ny fitiavan-tanindrazana ary ny fiarovana ny harem-pirenena manoloana ny fandrobana sy ny fanondranana amin’ny endriny samihafa. Teo anatrehan’ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarmaria, ny jeneraly Paza Didier Gérard, izay nanome voninahitra ny fotoana no nanoloran’ny Filoha fitaovana ara-panatanjahantena ho an’ireo ekipa mpanao fanatanjahantena miisa 16, izay misandrahaka amina taranja maro

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT