Actualités

Canal + Madagascar Handefa mivantana ny lalao rehetra mandritra ny CAN


  • Alarobia 12 Jona 2019

Ho maimaimpoana ny “décodeur” ao amin’ny Canal + hatramin’ny 30 jona ho an’ireo mpanjifa mampiditra ny tolotra Evasion plus.

Nampahafantarina izany omaly niaraka amin’ireo “chaines” vaovao nampidirina ao anatin’ny tolotra omeny tahaka ny E, ny 6TER, ny Canal + Action, ny Gulli ary ny France Info. Ankoatra izay, halefan’ny Canal + Madagascar mivantana ao amin’ny chaine Canal + Sport 1 sy ny Canal + Sport 2 daholo ireo lalao baolina kitra miisa 52 izay hatao ao anatin’ny andiany faha 32 amin’ny lalao Coupe d’Afrique des Nations (CAN) izay hatao any Ejipta. Handeha mivantana ihany koa ny lanonam-panokafana hatao amin’ny 21 jona sy ny lanonam-pamaranana ny 19 jolay. Tombony ihany koa ny hisian’ny famakafakana hataon’ireo matihanina amin’ny baolina kitra. Tsiahivina fa ny lalao voalohany hataon’i Barea Madagasikara, izay anaty vondrona B, dia hifandonany amin’ny Ginea  amin’ny 22 jona ao amin’ny kianja Alexandria. Nanatrika ity fampahafantarana ofisialy mahakasika ny fampiainana mivantana ny lalao CAN ity ny mpanazatra ny Barea, Nicolas Dupuis sy ireo mpilalao telo solontenan’ny ekipa nahitana an’i Jeremy Morel sy Melvin Adrien ary i Jerome Mombris.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT