Hiverina hanao ny asany indray ny “Centre d’Arbitrage et de Médiation de Madagascar” ( CAMM) miara-miasa akaiky amin’ny tetikasa Procom vatsian’ny vondrona Eoropeanina vola sy ny antenimieran’ny varotra manerana ny Nosy.
Mitentina 115.142.234 Ar ny vola hampiasainy, haharitra efa-bolana, fe-potoana izay mbola azo itarina tsara, raha araka ny fanazavana azo omaly teny Antaninarenina. Asa telo lehibe no hotanterahin’ny CAMM anisany ny fanatsarana ny fomba fiasany amin’ny alalan’ny fanofanana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any amin’ny faritra, ny fampiroboroboana ny sehatra misy azy ireo hahafahana mamaha hatrany ny olana misy eny anivon’ny orinasa, indrindra ireo madinika sy salantsalany. Tao anatin’ny folo taona nijoroan’ny CAMM teto amintsika mantsy izany hoe nanomboka ny taona 2002 ka hatramin’ny 2012 dia efa nahatratra 30 isa ireo antontan-taratasy voarain’izy ireo izay marihina fa ady hifanaovan’ny mpiara-miombon’antoka ao anatin’ny orinasa avokoa. Tanjon’ny CAMM ny hanamaivanana ny olana eny anivon’ny orinasa, indrindra fa ireo tsy maintsy miakatra eny anivon’ny Fitsarana. Miara-miasa akaiky amin’ny Fitsarana ihany koa mantsy izy ireo amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.