Actualités

« Camion taxi-brousse » Mamono olona matetika any amin’ny RN 13


  • Alarobia 06 Janoary 2016

Roa no maty ary maro no naratra izay efa nalefa any amin’ny hopitalin’Amboasary atsimo sy Ambovombe. Loharanom-baovao hafa kosa izay tsy voamarina nanambara fa efa nihoatra ny folo ny namoiny ny ainy.

 

 Izany dia vokatry ny lozam-piarakodia nitranga ny alatsinainy teo tany amin’ny lalam-pirenena faha 13 iny. Fiarabe (camion) mpitatitra olona mamitohy an’i Tolagnaro sy Toliara antsoina hoe Tantsaha bus no nihemotra teo amin’ny fiakaran’i Bevilany, toerana iray eo anelanelan’i Tolagnaro sy Amboasary atsimo rehefa navesatra loatra ny lanja nentiny ka tsy zakan’ilay fiara intsony. Raha nandre ny fisian’ny loza moa ny tao an-tanànan’Ambovombe dia nirohotra namonjy tany ny vahoaka ka anisan’izany ny delegen’ny ministeran’ny mponina izay nandeha moto . Rehefa tonga teo amin’ilay toerana anefa ity delege ity dia niharan-doza indray koa fa nifatrara tamin’ny fiara mpamonjy voina ny moto ny ka dia naratra koa io farany io. Noho ny faharatsian’ny lalàna any amin’ny faritra atsimon’ny nosy iny dia mbola betsaka ny fiarabe be camion no manao ny asa fitateran’olona ka miaraka ao ny entana. « Valam-bakisiny » ihany koa no anara-petaka ataon’ny olona azy any an-toerana noho ny ao anatin’ilay fiara voavatra toy ny vala. Mitera –doza matetika anefa izy ireny noho io vesatra entiny io. Tsy afa manoatra ny mpandeha satria ny fiara any amin’ireny toerana ireny tsy ampy ka dia iafiana izay misy. Ny hany azo ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny distrika sasany dia ny mampisaraka ny olona sy ny entana amin’ny fiara samihafa, indrindra ho an’ny mitety tsena saingy tsy dia maro ireo tompona fiara no manaiky izany.


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT