Tsy tokony hiandry fitoriana na fitarainana ny Bianco fa tonga dia mihetska ka manadihady ny momba ilay resaka hoe novidian’ny zanaky ny filoha Rajaonarimampianina ny Café de la Gare etsy Soarano, raha ny hevitr’Atoa Serge Zafimahova.
Ho hita eo, hoy izy raha mahaleotena marina ny Bianco na tsia. Fanontaniana mipetraka, hoy i Serge Zafimahova ny hoe : efa nanambola be ve teo aloha ity zanaky ny filoham-pirenena ity ? Sa rehefa tonga teo amin’ny fitondrana ny rainy dia lasa nanambola tampoka teo izy ? Izay no ilana ny fidirana an-tsehatry ny Bianco satria sao misy resaka kolikoly ilay resaka. Afaka mandray andraikitra tahaka izany koa ka manokatra fanadihadiana momba ity fividianana ny Café de la gare ity ny Samifin, sao dia mamofompofona famotsiam-bola ny zavatra atao mangingina tahaka izao, araka ny hevitr’Atoa Serge Zafimahova ihany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.