Mety hisy fandrodanana trano ato ho ato eny amin’ny By-pass, indrindra aorian’ny famaritana ireo toerana hotazonina hanaovana tata-drano sy hambolena hazo hisorohana ny tondra-drano eto Antananarivo.
Noraisina ny fanapahan-kevitra, hoyRandriamanohisoa Gerard tale jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany noho ny fitombon’ny fanorenan-trano tsy ara-dalàna eny amin’iny faritra By-pass iny ankoatra ny fangatahana mba hanorina voarain’ireo Ben’ny tanàna miisa dimy voakasiky ny toerana. Raha araka ny fanazavana azo anefa dia tsy natao hanitarana ny tanànan’Antananarivo no nanaovan’ny fanjakana tamin’izany fotoana ny By-pass fa lemaka voatokana handraisana ny mety ho fihoaran’ny ranon’Ikopa avy any ambony saingy ho famahana amin’ny ampahany ny resaka lalana dia voatery nohajariana iny toerana iny. Hisantarana ny famaritana ny toerana ary dia hanatanteraka fambolen-kazo eny an-toerana ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ireo kaominina dimy ireo ny zoma ho avy izao. Tsy hijanona hatreo ny hetsika fa hitohy amin’ny fikarakarana ilay drafitra fanajariana ho an’Antananarivo ho tombontsoan’ny rehetra. Mikasika ireo olona efa nividy tany eny amin’ny By-pass ka efa nanorina dia miala tsiny mialoha izy ireo ny amin’ny mety ho tohin’ny raharaha. Ho an’ireo vao hividy kosa dia mangataka azy ireny ny minisitera mba hanatona ny kaominina hisorohana ny olana mety hitranga toy ny fividianana tany eny amin’ny faritra tsy azo hanaovana fanorenana ka ho tra-panenenana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.