Tovolahy voalaza fa mpangalatra, manodidina ny 30 taona no maty voahitsaky ny fiarakodia madinika omaly maraina tokony ho tamin’ny 5 ora sy fahefany teny Ankazobe By-pass.
Raha araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana, avy nangalatra vy tao amin’ilay toerana iray teny amin’ny manodidina teny ity tovolahy ity. Efa lasa daholo anefa ireo namany raha ny fantatra fa izy irery sisa no tavela ka niampita maika be ny arabe niaraka tamin’ilay saretikeliny feno vy. Nisy fiara tampoka nifanena taminy anefa raha niampita izy ka voadona mafy ny lohany, antony namoizany ny ainy. Simba ihany koa ilay saretikely nentiny izay niparitaka niaraka tamin’ny kodiarany teny amin’ny arabe. Tsy mbola fantatra moa izay toerana niavian’ity tovolahy ity sy ny fianakaviany hatramin’ny fotoana nahatongavanay teny an-toerana. Ilay mpamily ilay fiara nandona azy kosa nampandre ny mpitandro ny filaminana ka izy ireo no nanarona lamba ny razana sy niantso ireo tompon’andraikitra hafa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.