Actualités

Bureau des Doléance - Ambohitsorohitra “Nisoroka ady ara-piarahamonina izahay”


  • Talata 04 Febroary 2020

Tsy manana olana amin’ny minisitry ny fitsarana teo aloha, Jacques Randrianasolo,

 

 

aho, hoy ny tale misahana ny fandraisana ireo fitarainana na “doléance” etsy Ambohitsorohitra, Richardson Rakotomanana, raha nanazava mikasika ilay olana teo amin’ny fitsarana sy ity sampandraharaha ity nanaovan’ny minisitra teo aloha ampamoaka tamin’ny herinandro. Efa niresaka izahay tany Sambava tamin’iny daty nampahatsiahivin’ny gazety Tia tanindrazana hoe ny 20 sy 21 septambra iny. Niresaka mikasika ny fomba fijery izahay ary misy zavatra tsy azon’izy ireo mikasika ny fomba fiasan’ny “bureau de doléance”. Napetrakay tsara, hoy ity tale ity, fa tsy miditra amin’ny raharaham-pitsarana izahay. Raha misy fanadihadiana mbola mandeha ihany koa dia tsy mitsabaka izahay. Rehefa misy fitarainana ataon’ny vahoaka avy amin’ny lafivalon’ny nosy kosa amin’ny tsy rariny mahazo azy dia mametraka taratasy fitarainana ireo vahoaka ary hapanarahany izany ny porofo rehetra manamarina ny zavatra teneniny. Matetika ary mahatratra hatrany amin’ny 80%-n’ny fitarainana tonga eto Ambohitsirohitra, hoy ny fanazavany, dia olana ara-tany. Misy koa olana ara-piarahamonina, ny karama tsy azo amin’ny orinasa, olana any amin’ny minisitera sy hafa marobe. Rehefa tonga ato ireny antontan-taratasy ireny dia dinihin’ireo manampahaizana tandrify azy. Misy mpitsara miisa 2, mpahay lalàna 2, mpahay toekarena sy manampahaizana maro, hoy hatrany izy. Ny tena koa dia anisan’izany ary efa nisehatra tamina zavatra maro ary efa nampamahana io olana ara-piarahamonina sy toekarena io, eny fa na olana ara-politika sy ara-poko aza. Tsy maka firehana ny birao mandray fitarainana fa tsy maintsy mijery aloha, raha resaka tany, ohatra, ny sertifika manamarina ny tompon’ny tany. Eo koa ny lafiny maha olona satria matetika mahakasika fokonolona foana ireo ary ny fahatelo dia ny fahefana misy ao amin’ilay toerana. Dinihina miaraka ireo. Olana ara-tany tsy voavaha nandritry ny 30 na 40 taona na efa nivoaka aza ny didim-pitsarana samihafa dia mitontona ato daholo. Rehefa voadinika ireo antontan-taratasy ireo dia hanaovana fisy fitarainana na “fiche de doléance”. Rehefa didim-pitsarana tsy mampilamina fokonolona sy fiarahamonina kosa amin’ny maha mpitondra anao dia hitadiavana vahaolana, hoy izy.

J. Mirija

Legend: Ny tale misahana ny fandraisana ireo fitarainana etsy Ambohitsorohitra

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT