Actualités

« Briquet » nipoaka nandoro trano Zazavavikely roa may kilan’ny afo


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2016

Ny ray aman-dreny niasa any an-tsaha, ny zanany may kila forehitry ny afo tao an-trano.

Loza amin’atambo no nahazo ity fianakaviana iray ao Amborinala, Kaominina Farahalana, Distrika Sambava ny sabotsy 1 oktobra 2016, tamin’ny efatra ora tolakandro. Zaza telo no tao trano, 2, 3, ary 5 taona fa ny ray aman-drenin'izy ireo lasa maraina any an-tsaha.

Mbola nisy afo tavela teo amin'ny fatana, ny « briquet » anefa tsy lavitra teo ka nipoaka tampoka. Taitra ireo ankizy, ka ny roa madinika nandeha niafina tao anaty lay misy ody moka, nentin’ny tahotra, ilay zokiny koa niantso ny ray aman-dreniny, ny tranon’izy ireo koa somary mitokana. Efa ravan’ny afo ny trano mandrapahatongan'ny Fokonolona. May kila, lasa lavenona ny zazavavy kely roa, 2 sy 3 taona.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT