Nahatsiaro manokana ireo zanaka sahirana, mpitsindroka fako ny sampana sosialy Fanantenana ao anatin’ny FAFI V tarihin–dRaholdina Hanitriniala noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona.
Nitety ireo toerana misy fako manerana ireo Fokontany 27 ao amin’ny Boriborintany faha-5 izy ireo ka nanolotra fanomezana ho an’ireo ankizy mba hahafahany mifety. Narahina fanentanana amin’ny fahadiovana izany ka notolorana savony sy rano ho an’ireo ankizy tena mahantra sy sahirana. 100 mahery isam-pokontany no nahazo tombontsoa tamin’izany ka anisan’ireny ny tetsy Andraisoro. Tanjon’ny fikambanana ny mba hahafahan’ireo ankizy madinika ireo miatrika ny fety araka ny tokony ho izy na dia eo aza ny fahasahiranana mahazo azy. Nirary soa sahady ho an’ny vahoakan’ny Boriborintany fahadimy sy ho an’ny vahoaka Malagasy manontolo ny depiote Raholdina Naivo voafidy tao an-toerana mba samy hanao fety sambatra ary hahatratra ny taona vaovao 2016 avokoa ny rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.