Raha 300 isa isan’andro teo aloha ireo olona tonga mikarakara kopia mari-pahaterahana ao amin’ny Boriborintany fahefatra dia tafakatra 650 isa isan’andro izany amin’izao fotoana izao,
raha mahatratra 1.000 isa kosa ny bulletin de naissance. Antony, raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Boriborintany fahefatra Ratsisetraina David dia noho ny fahatongavan’ny fotoana fikarakarana ny antontan-taratasy hiatrehana ireo fanadinam-panjakana maro samihafa, dia ny CEPE sy ny BEPC ary ny Bakalôrea. Voatery nandray fepetra, araka izany ity Boriborintany iray ity. Manomboka amin’ny 6 ora maraina dia efa mandray olona ny tompon’andraikitra mifarana amin’ny 9 ora maraina. Na izany aza, kopia miisa 700 ihany no vitan’izy ireo ny ampitson’iny fa miandry ny afakampitso kosa ireo izay tara, aorian’io ora voalaza etsy ambony io. Nambaran’ireo tompon’andraikitra hatrany moa fa anisan’ny olana kely sedrain’izy ireo matetika ny fahataran’ny olona, antony mahatonga ny sasany tsy maintsy averina amin’ny fotoana manaraka indray. Olona am-polony isan’andro no indray manao ny asa, ho tombontsoan’ny rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.