Actualités

Boriborintany faharoa Mahavita kopia 300 isan’andro


  • Talata 05 Novambra 2019

Ny alarobia lasa teo, dia kopia faobe manodidina ny 250 ka hatramin’ny 300 no vita iray andro ho fanamaivanana ireo mponina sy ny ray aman-dreny,

indrindra fa amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. Miezaka ny manome ny fahafaham-po ny mponina ao aminy ny boriborintany faharoa, izay manana ny teny filamatra hoe “vahoaka foana no voalohany”. Ankoatra izay,   ara-dalàna ny fijoroan’ireo tranombarotra kely sy kioska ao amin’ny boriborintany faharoa, ka nangataka jiro tamin’ny kaominina izy ireo. Tsy nisalasala ny teo anivon’ny boriborintany faharoa, fa namaly izay fangatahana izay, niaraka tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Araka ny fanazavan’ny delege-n’ny boriborintany faharoa, Atoa Rahamefy Andriamianina, dia efa  nahazo fahazoan-dalana avy tamin’ny kaominina ny fijoroan’ireo tranombarotra ireo ary izao novaliana izao ny fampidirana jiro ho azy ireo tsirairay avy. Ankoatra izay, dia teo ihany koa ny fanamboarana ny sarona “dalle” miisa telo izay natao rarivato, satria mitera-doza ireo, rehefa avy ny orana. Lalankely miisa 13 mandrafitra ny boriborintany faharoa koa no ezahin’ny boriborintany hovitaina ao anatin’ny roa volana, ka mirefy 800 metatra sy 500 metatra ny halavany raha be indrindra, hoy hatrany ny delege. Eo koa ny fanamboarana ny “benoir” sy toerana fanasan-damba eny Androndrakely sy Ankatso, izay tafona ny sasany ary nohatsaraina ny hafa ary nasiana tafo ny ambiny. Nanadio sy nanala ny fako manentsina ny “dalle” koa ny boriborintany faharoa, ka “dalle” 6 no nodiovina. Ny roa tamin’ireo, 700 metatra sy 500 metatra ny halavany, ny ambiny 40 metatra sy 30 metatra. Tsy asa kely ireo asa atao ireo, hoy ny delege, fa asa lehibe izay napetraky ny kaominina hataon’ny boriborintany faharoa.

Sitraka r.    

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT