Mahavita « bulettin de naissance » 400 ka hatramin’ny 500 isa isan’andro ny eo anivon’ny boriborintany faharoa.
Izany dia mba hitsinjovana ireo mponina sy ny ray aman-dreny, mba tsy hilahatra be intsony. Eo koa ny fitsinjovana ireo mpianatra, satria ao anatin’ny fidiran’ny mpianatra isika amin’izao. Nambaran’Atoa Randrianalisoa Rantolalaina Irvah, lefitra faharoa ny delegen’ny boriborintany faharoa, fa miezaka ny eo anivon’ny boriborintany amin’ny fanafainganana ny asa na ny “service” ao anatiny. Tanjona, ny hanatsara ny “service” anatiny ary hanala ny fahasahiranan’ny mponina. Nambaran’ity lefitra faharoa ity hatrany fa miezaka ny manatsara ny ao anatiny boriborintany izy ireo. Efa vita ny fampihaingoana na ny “décoration” sy ny fametrahana ny fanamafisam-peo ao amin’ny efitrano fanaovana mariazy na “salle de mariage”, hoy izy. Teo koa ny fanadiovana ny lakan-drano 3, dia ny tao Manakambahiny izay mirefy 30 metatra, Andohamandry 700 metatra ary Ambohipotsy. Antony, hoy ny fanazavana, ny fanalefahana sy ialana amin’ny fiavian’ny orana, ka nisy ny fanadiovana ny tatatra sy ny lakan-drano. An-kilany, ny fanamboarana ny lalan-tany izay natao rarivato izay mirefy 30 metatra, toy ny tao Volosarika izay efa vita izy io. Fanamboarana ny lalankely eny Antanimora izay mirefy 40 metatra ary hanomboka amin’ity herinandro ity ny asa. Lalan-tany eny Ankerakera La Haute Ville. Fanadiovana ny lalankely ao anatin’ny fokontany 24. Efa vita koa ny lalana eny Tsiadana izay nasiana zaridaina ary azo tsidihana. Mahatratra 200 metatra ireo lalankely ireo, izay lalan-tany avokoa. Mikasika ny tsy fandriampahalemana, dia halabotry sy ny vaky trano no betsaka. Miara-miasa amin’ny fokontany sy ny polisin’ny boriborintany faharoa, ny boriborintany. Ny olana amin’ny famatsian-drano, indrindra fa ny “pression”- ana rano no mbola olana ho an’ity boriborintany ity. 193 ny borna fontaine ary ny 90 % -n’ireo no misedra izay olana izay. Ny jiro kosa tapaka ora iray dia miverina. Amin’ny ankapobeny dia miasa ho an’ny vahoaka ny boriborintany faharoa, izay manana ny teny filamatra hoe “vahoaka foana no voalohany”. Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.